Politique

Arlette Ramaroson Hilatsaka hofidiana filoham-pirenena


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Mafana dia mafana ny raharaha politika eto amintsika amin`izao fotoana izao ary tsy misy vahaolana ankoatra ny fifidianana. Mpanao politika tsy dia mpiseho firy Rtoa Arlette Ramaroson izay filohan`ny ``vondron`ny Tia Tanindrazana ho an`ny Fanarenana an`i Madagasikara``

 no nivoaka tamin`ny fahanginany ankehitriny ka nanambara ny heviny mikasika ny raharaha politika ary nilaza fa  hilatsaka hofidiana filoham-pirenena. Nanamarika izany ny fanoritsoritany ireo vinam-panarenana an’i Madagasikara kasaina atao eto amintsika teo anatrehan’ireo ankolafin-kery samihafa eto amin’ny Firenena. Tofoka amin`ity fitondrana manome vahana an`ireo tsy maty manota ny tenany. Tsy mankasitraka ny fihetsika ataon`ny fitondram-panjakana izy izay efa betsaka no niaraha-nahita ny tsy nety nataon`izy ireo ka tokony avela hitondra ny hafa raha hita fa mahavita zavatra. Mila ``olom-baovao`` ny fanalana an`i Madagasikara ao anatin`izany hantsan`ny fahaverezana izany, hoy ity mpitsara iraisam-pirenena teo aloha ity ary nampanantena ho avy mamirapiratra tamin’ny fanoritsoritana ireo vina kasaina hotanterahina. Teboka efatra no navoitra nandritry izany fanambarana ofisialy izany omaly teny Ivato ka momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ny satan`ny fihavanana Malagasy, satan`ny tontolo iainana ary lafiny ara-toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny fifandraisana iraisam-pirenena.


Ramaroson Arlette dia mpitsara teto Madagasikara nandritra ny 25 taona. Taorian`izay dia voafidy ho Mpitsara iraisam-pirenena tamin`ny latsabaton`ny firenena miisa 105 ao amin`ny Firenena Mikambanana ary niasa nandritra 15 taona tany amin`ny Tribonaly iraisam-pirenena ho an`i Rwanda tany La Haye. Niverina teo an-tanindrazana ny tenany tamin`ny taona 2016 ary nisantarany ny tontolo politika ny fitakiana ireo Nosy Manodidina toa ny Iles Eparses mba hiverenan`ny fiandrianam-pirenena na souverainete nationale

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT