Politique

Arlete Ramarson « Manitsakitsaka ny zon’olombelona ny fitondrana »


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Manoloana ny fananganana ilay tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ilay tanàna vaovao, izay haorina eny Ambohitrimanjaka, dia

 

 

nitondra ny heviny manoloana izany ny mpahay lalàna iraisam-pirenena Arlete Ramarson. Nambarany fa fanitsakitsahina ny zon’olombelona, amin’ny maha olona no hataon’izao fitondrana izao. Tsy nisy ny fifampiresahana na fifanatonana tamin’ireo mponina voakasik’ilay tetikasa, ka avy hatrany dia napetraka teny Ambohitrimanjaka ny fitaovana. Saika hanao an-terisetra amin’ny fanotofana tany,  ny fitondrana, hoy izy. Eo ihany koa ny tsy fijerena ny tontolo iainana izay mety hitarika any amin’ny tsy fahasalamana. Ny talata lasa teo vao tonga nandamin-dresaka tamin’ny vahoaka teny Ambohitrimanjaka ny  iraky ny fiadidian’ny repoblika. Niandry ny savorovoro angamba ireto iraka, vao tonga nandamina, hoy ireo mponina. Mbola mitsipaka ny fananganana io Tana-masoandro atao eny Ambohitrimanjaka io, ny mponina. Nilaza ireto iraka, fa haato vonjimaika aloha ny fananganana io tanàna vaovao io.

Sitraka r.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT