Politique

Arivonimamo renivohitra Hahazo fotodrafitrasa sahaza azy


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Lalana mirefy 3,7km eo an-tampon-tanànan'Arivonimamo no nasiam-panarenana, toy izany koa ny kianja lehibe fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana.

 Tetikasa tafiditra amin'ny fanatsarana ny kaominina ambonivohitra, tanterahina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin'ny fanjakana foibe ireo. Tonga eny an-toerana ny depiote Rakotomanjato Rodin, amin’ny maha mpanaramaso azy ny asa ataon’ny mpanatanteraka azy. Nambarany fa “ny asa tahaka izao no andrasan’ny vahoaka malagasy maro an’isa, ary tsy tokony hisy fanavakavahana ny fanatanterahana asa fampandrosoana fa tokony hahazo sy hisitraka izany avokoa ny Kaominina rehetra manerana ny Nosy na ambanivohitra na ambonivohitra”. Nambarany ihany fa tsy mangataka akory ny Malagasy fa ny tamberin’andraikitra sy ny tamberin-ketra no andrasan’izy ireo amin’ny tompon’andraiki-panjakana. Nambaran’ny Ben’ny tanàna fa efa an-taonany maro no tsy nisy ny fanarenana fotodrafitrasa tety amin’ny distrikan’i Arivonimamo, indrindra fa ny lalana, kanefa dia anisan’ny nampitaraina ny mponina ny faharatsian’ny lalana rehetra mamakivaky ity renivohitry ny tapia ity. tahaka izany ihany koa dia tsy manara-penitra ary tsy mamaly ny kalitao takian’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny kianjam-panatanjahantena eny an-toerana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT