Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo
. Hanao fotodrafitrasa vaovao ao Mangatany izy ary hamerina ny lazan’Arivonimamo indray, amin’izao filatsahan-kofidiany izao, hoy izy. Araka ny fanazavany, tsy hijerena antoko na karazan’olona ny fampandrosoana ny kaominina sy ny tanàna, fa ilaina ny fifampiresahana ary rehefa vonona hitondra ny fanatsarana ny tanàna. Ho fanombohana ny asa, dia hamaky lalana isaky ny fokontany izy, izay miala eo amin’ny kianja ary hatsaraina ny lalankely rehetra. Eo koa ny fijerena ny sosialy, ny fampianarana, ny fananganana fotodrafitrasa vaovao ao Arivonimamo, ka anisan’izany ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina na “Aeroport” ao an-toerana. Jerena koa ny mikasika ny fahasalamana, ka hanao hopitaly raitra izy. Eo koa ny sekoly ary hasiana fanamboarana ny kianja ho an’ny tanora. Hanova endrika ny tanàna ao Arivonimamo ity kandidà ity, raha ny fanazavany hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.