Amin’ny maha sehatra ifampidinihana ny fikambanana Credo dia nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny filohany any Faradofay, Arson Ndimbizandry.
Nambarany fa ny fitavozavozan’ny mpitondra FAT no mampitarazoka ny fivoahana amin’ny krizy. Antony hoy izy samy mandrirotra amin’izay tiany ny raharaha misy eto Madagasikara ireo mpanao politika amin’izao fotoana. Mety ny tondrozotra niarahana, saingy samy manana ny fomba andraisany azy ireo vondrona nanao sonia, hany ka mibirioka amin’ny tsy tokony ho izy ny raharaha. Mbola maro ihany koa ireo olom-boatendry no te hifikitra hatramin’ny farany amin’ny sezany. Amin’ny ankapobeny anefa, maro amin’izy ireny no tsy mahafantara velively ny Faritra misy azy na ny toerana niaviany.
Maro ireo vahoaka no tsy mahalala ny tena dikan’ny atao hoe CST na CT izany. Mahakasika ny fisintahan’ny firehana Ravalomanana tao amin’ny fitondrana, dia nomarihin’ity mpanao politika vao misandratra ity fa rariny ireny fihetsika ireny ary zony ny manao izany. Demokrasia no atao ary tokony hohajaina rehefa tsy mitarika fanakorontanana. Inona moa, hoy i Arson Ndimbizandry no anamelohan’ny sasany ny fahatongavan’ireo avy aoamin’ny SADC teny Ambohijatovo ? Amin’ny maha mpanaramaso azy ireo dia mamita ny asany izy mirahalahy ireny. Raha te hivoaka ny krizy isika dia ny fifidianana no tokony hatao ka ny filoham-pirenena no isantarana izany, manaraka ny sisa. Inona moa, hoy izy no antony hanakanana ireo izay te hirotsaka hofidiana raha mahafeno ny fepetra. Ka avelao hilatsaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia ho hita eo raha ho lany. Ny vahoaka no tompon-tsafidy.
Mikasika ny Faritra Anôsy dia nomarihin’ny filohan’ny Credo fa im-betsaka ny vahoaka no nidina an-dalambe nitokona nanala ny lehiben’ny Faritra kanefa dia mbola tazonin’ny fanjakana ihany na dia fantatra aza fa efa aloan’ny vahoaka. Ny ao amin’ny fiadidian’ny tanàna kosa indray dia mametra-panontaniana ihany ny tsy mbola nanoloana ny PDS ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Faradofay raha efa niova avokoa ireo olona tamin’ny fitondrana teo aloha. “Ahoana no mahatonga izay?”, hoy izy. Napetrany amin’ny fahendren’ny fanjakana ny hanova azy na tsia amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Amin’ny maha mpandalina fiarahamonina an’i Arson Ndimbizandry dia nasiany resaka koa ny fitokonan’ny SEMPAMA. Aminy dia mandrehitra afo ny minisitra Manoro Régis, ary hita fa miaro fatratra ny sezany. Inona moa no tsy amalian’ny mpitondra ny fangatahan’izy ireo ? Sa ve rehefa manana basy no magataka dia omena fa rehefa mitondra tanam-polo dia ramatahora no setriny ? Fehiny, tokony hitovy ny karaman’ireo izay mitovy diplaoma fa tsy fotoan’ny mizana tsindrian’ila izao. hoy izy
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.