Niaiky ny rehetra fa niha mafy hatrany ny krizy teto Madagasikara, indrindra taorian’ireo fifidianana efa nandalo ary tsy mbola nisy voavaha.
Ny anaran’ny komity misahana ny fampihavanana efa in-3 niova nanomboka ny taona 1993 no ho nankaty saingy tsy hita izay fampihavanana tontosa teo fa mainka aza miha mifanambaka sy mifamono an-toerana ny mponina fa very ny kolontsain’ny fifamelomana sy ny firaisankina. Mangingina ilay komity vaovao na ny CFM ary na ny olom-pirenena aza tsy misy miraika. Tsy mazava amin’ny rehetra ny aretin’ity firenena ity. Aiza ny fotony ? Rafitra sa tarazom-panjanahana ? Ny hita aloha dia kamo hitsabo ny firenena ny mpanao politika satria dia miharihary fa tsy miova ny fomba amam-panao efa notsikerain’ny mpanara-baovao hatramin’izay. Miitatra lava ny fivoriana eny amin’ny antenimiera. Mbola mifandramatra sy hila hifampikasi-tanana ireo depiote rehefa misy tsy hifanarahana. Ny sasany manompa mpanao gazety, raha iverenana fotsiny ny tranga omaly. Resaka lalàm-pifidianana amin’io no dinihina. Raha ny fandehan-draharaha hatreto aloha no dinihina dia tsy fifidianana araka ny nambara no vahaolana. Fomba ahoana anefa no hahafahana manova rafitra vetivety eo ? Aiza ny vahaolana maharitra ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.