Politique

ARENA Ivandry Adino ireo sahirana, ny be palitao sisa tafiditra ao


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

“Adinony ianao fa fitaka ny toky …”, hoy ilay hiran’ny mpanakanto iray izay.

 

 

 Tahaka izany no azo handikana ny zava-mitranga eny amin’ny ARENA Ivandry nisy ny foiben-toeran’ny kandida laharana faha-13 Andry Rajoelina tamin’ny propagandy. Nifamezivezena olona efa an’arivony isan’andro teny. Teo ireo niasa tao amin’ny QG, misy ireo nitady asa ka nitondra CV. Maro ihany koa ireo ao anatin’ny fahasahiranana ka mila fanampiana. Nahazo vatsy kely tokoa isaky ny nandalo izy ireo mba hanalana fahasahiranana. Ankehitriny kosa, efa mihidy tanteraka ny vavahady ary hentitra dia hentitra ireo mpiambina raha vantany vao misy olona hita fa sahirankirana mitady hiditra na mitady olona ao. Mahatsiaro ho tena voafitaka ireto sahirana ireto satria dia tsy misy azo hiresahana intsony ao amin’ny ARENA fa efa lasa fivezivezen’ny olona ngetroka sy be palitao miaraka amina fiara raitra dia raitra sy ranomanitra midofaka.  Izany tokoa ve no tonga amin’ny fitenenana hoe efa nadio ny rano nitàna ? Sa efa azony izay nilainy dia adinony tanteraka ny momba anao ? Enga anie ka fifanandrifian-javatra fotsiny izao zava-miseho izao fa hiverina hisokatra sy hifandray amin’ireo vahoaka tena sahirana ny ARENA, sady ny fifidianana ho solombavambahoaka ihany koa efa manakaiky.

Tia Tanindrazana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT