Manetsika ny mpikambana eny ifotony ny Arema. Tany Tolagnaro dia nihaona in-droa miantaona tamin’ireo mpikambana Arema tany an-drenenivohitra Anôsy ny mpandrindram-paritry ny Arema CST Razanadahy Bonaventure ny herinandro lasa iny.
Fihaonana tamin’ireo andriambavilanitra sy tamin’ireo tanora no nisantarany azy, avy eo tamin’ny fianakaviamben’ny AREMA nahitana ireo mpikambana taloha sy ireo zaza navela ary ireo mpikambana vaovao aty aoriana. Nambaran’ity mpandrindra-paritry ny Arema ity fa tsy maty na koa mitsamatsamaka akory ny AREMA fa iray tsy mivaky. Notsipihiny mazava fa samihafa ny AREMA sy ny ankolafy Ratsiraka. Nohamafisiny fa izay miaraka amin’ny Amiraly filoha mpanorina ny antoko ihany no tokony hitondra ny anarana Arema. Nambaran’ity CST Razanadahy Bonaventure fa ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy eo ny AREMA. Handrotsaka olona amin’ny fifidianana rehetra ity antoko ity, araka ny nambarany saingy ny filoha Didier Ratsiraka no tomponten’ny farany.
Nohamafisiny fa raha mitady fifidianana madio sy hoeken’ny daholobe sy ny fikambanana iraisam-pirenena isika Malagasy dia ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena mikasika ny lalampanorenana sy ny fihaonana an-tampon’izy efatra mirahalahy mianaka samy mpitondra no atao, ary eto Madagasikara no anatanterahana izany. Efa manaiky rahateo ireo filoha telolahy mianaka fa ny filohan’ny FAT no mbola miziriziry, hoy izy. Tanteraka io vao miroso ny fifidianana isan’ambaratongany.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.