Politique

AREMA Hiady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona


  • Alatsinainy 26 Mey 2014

Vonona hiady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amin’ny firenena ny antoko AREMA.

 Nisy ny fanentanana nataon’izy ireo tamin’ireo mponina teny Ambohimanatrika, Kaominina Tanjombato ny sabotsy lasa teo ka nanazavan’izy ireo mikasika ireo fehezan-dalàna mamaritra izany sy ny sazy mety hiandry ireo Ray aman-dreny na ny olona tratra manao izany. Raha araka ny zava-misy hita eny rehetra eny tokoa mantsy dia mitombo hatrany ireo zaza tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny asa an-trano raha tsy lazaina intsony ny asa fikapohana vato sy ny fanirahana azy ireo hatsaka rano sy hangataka eny amin’ny arabe. Tokony hojeren’ny fanjakana maika ny mikasika izany, hoy ihany ny antoko AREMA mba hahafahana manarina ifotony ny fiainam-bahoaka. Raha tsiahivina moa dia ny fiandohan’ny volana mey lasa teo no efa nanao hetsika mikasika ity ady hatao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ity ny antoko AREMA raha ny 12 jona ho avy izao no hanamarihana izany amim-pomba ofisialy. Mbola hitohy hatrany ny fanentanana hataon’izy ireo, izay mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroan’ny Akanin-jaza AREMA teto amintsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT