Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,
Atoa Simon Pierre, natao teny amin’ny trano fonenan’ny filoha mpanorina azy, ny Amiraly Didier Ratsiraka, no nanambaran’ny antoko Arema “oié, oié” fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hisy amin’ny taona 2018 ry zareo. Tsy nisy anaran’olona ho kandidà navoakan’izy ireo kosa anefa fa holazaina amin’ny manaraka, hoy ny sekretera nasionaliny. Fanambarana izay azo raisina avy hatrany fa tsy mbola nanolotra ny fanilo miampita na nanendry izay olona mety handimby azy i Didier Ratsiraka. Misy feo milaza fa tahaka ny tamin’ny 2013 dia mbola vonona ny ho kandida filoham-pirenena amin’ny 2018 ny amiraly satria tsy mbola levon’ny vavoniny ny nandresen’i Marc Ravalomanana azy tamin’ny 2001. Toetsaina miaramila rahateo ny tsy milavo lefona raha tsy miady mafy aloha. Taorian’ny tatitry ny zava-bitan’ny antoko (fiatrehana seminera maro sy fitsidihana masoivoho vahiny) nataon’ny mpitantsoratra nasionaly, Annick Ratsiraka dia niompana tamin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy avokoa no nanambaran’Atoa Simon Pierre an’ity fanapahan-kevitra ity niaraka tamin’ny lafin-javatra 3 hafa. Ao ny ady amin’ny politikan’ny mpanjanaka “zarazarao hanjakana” mba tsy hitsetsefan’ny vahiny ny harentsika. Ao koa ny fanaovana fampihavanana anatin’ny antoko amin’ny alalan’ny famerenana ireo nania sy famenoana ny banga eny ifotony. Ny fahatelo ny fikajiana ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka hahazoana mamerina an’ireo “accessoires” na “iles éparses” amintsika izay efa nambaran’ny firenena mikambana fa antsika Malagasy tamin’ny taona 1979 andro nitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny fitondrana. Navoitran’ny antoko teny Faravohitra omaly koa ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fampihavanana ny Malagasy rehetra ka hiray hina mba hahafahana mitrandraka miaraka ny harem-pirenena. Manana adidy amin’ny taranaka faramandimby mantsy isika amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena. Fitadiavana namana hiara-kisikina indray ny hevitry ny antoko Arema !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.