Niaka-tsehatra ary nampiray feo ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra nahitana ny avy ao amin’ny Arema, ESCOPOL, HPM, Les AS ary ny MDM, rehefa tsy lasa any Seychelles.
Nisy ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’izy ireo omaly tolakandro, tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Nilaza izy ireo fa “tsy mibahana ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana saingy kosa mametraka fepetra”. Nasian’ireto vondrona mpanao sonia ny tondrozotra ireto resaka koa ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina any Seychelles. Nolazainy fa tsy tokony hanimba na handrava na hanozongozona ny tondrozotra ny fihaonana any. Ny fanirian’izy ireo dia hampandalovina amin’ireo vondrona rehetra nanao sonia ny tondrozotra mba hodinihana ny fifanarahan’izy mianaka alohan’ny handraisana ny fanapahan-kevitra iraisana.
Mikasika ny tranga niseho teny amin’ny toby RFI Ivato ny alahady 22 jolay teo, dia nanameloka ny fanaovana fitaovana ny miaramila mba hiarovana na hikatsahana tombontsoa izay manana endrika fanelingelenana ny tondrozotra, ireto vondrona ireto. Ny mampalahelo, hoy izy ireo dia ny tsy mana-tsiny hatrany no matimaty fahatany. Minisitra roa avy any amin’ny faritanin’i Toliara teo aloha moa no nanatrika ity fihaonana ity dia ny minisitra Elisah Razafitombo sy ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.