Politique

AREMA Antsirabe Hifandroritana indray


  • Talata 24 Janoary 2012

Hifandroritana indray ny fitantanana ny Antoko Arema ao Antsirabe amin’izao fotoana.

 Fantatra io ny faramparan’ny herinandro teo noho ny fisian’ny hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona nokarakarain’ny Dr Patrice Ratsimbason ny sabotsy 21 janoary lasa teo tao amin’ny Fokrifa Antsirabe. Nandritra io fotoana io mantsy no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity tamin’ireo mpikatroka Arema tonga teo fa dia izy indray no mpitarika ny Arema ao Vakinankaratra manomboka izao araka ny fanendren’ny birao foibe avy aty Antananarivo. Etsy andanin’izay dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Dokotera Naina Andriamampionona ny zoma 20 janoary nialoha io hetsika io fa mbola izy no mpitarika ny Arema ao Vakinankaratra hatramin’izao, araka ny taratasy fanendrena azy avy tamin’Atoa sekretera Nasionaly Vaovao Benjamin. Tsy mbola niova na nofoanana ny fanendrena, hoy ihany izy. Anisan’ny fanamarihan’ireto milaza ho mpitarika ireto ihany koa ny filazana fa tokana ary iray ihany ny Arema hatramin’izao eto Vakinankaratra fa tsy mivaky kanefa ny mpitarika izany no samy hafa. Isan’ny fanamarihan’ireo mpitarika sy mpikambana sasany moa ny fifandraisana be loatra ataon’ny Dr Naina amin’Atoa lehiben’ny Faritra izay manana ny fikambanana azy manokana ihany koa ka izay no mety hisian’izao disadisa amin’ny resaka fitarihana izao indrindra fa aoriana dia tsy maintsy hisy ny fifidianana. Efa mandeha daholo ny kajikajy samihafa aty aloha aty. Tantara mitohy vaovao indray ity !

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT