Nandritra ny tafa nataon’ny mpandrindram-paritra ny antoko Arema Alaotra Mangoro Rakotomaharo Hoby tamin’ny mpanao gazety tao Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo no nanehoan’ny Arema any an-toerana ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena.
Nohamafisin’izy ireo tamin’izany ny fanohanana ny fanatanterahana ny diniky ny samy Malagasy. Toraka izany koa ny fampihaonana ny filoha efatra mirahalahy eo ambany fitarihan’ny FFKM. Tanjona, hoy ity mpandrindram-paritry ny antoko Arema Alaotra Mangoro ity ny tena mba hisian’ny fampihavanam-pirenena marina fa tsy sanatria mitanila. Vonona hatrany amin’ny andraikitra manandrify azy manoloana ireo soso-kevitra hahafahana miala amin’ny krizy hiainan’ny malagasy izao ny Arema Alaotra Mangoro. Tsy mitazana fotsiny ireo zavatra hita fa tsy mety eto amin’ny firenena ny Arema any Alaotra ka izany no mahatonga azy ireo miteny hatrany rehefa manana soso-kevitra na paikady hialana amin’ity krizy nampihitsoka ny firenena ka nampitombo ny fahantran’ny Malagasy ity.
Mbola velona sy miaina tsara ny Arema Alaotra Mangoro ankehitriny ary mikasa hankalaza ny daty ny 19 martsa nananganan’ny Amiraly Didier Ratsiraka ny antoko any Toamasina amin’ny faha-24 martsa izao. Ankoatra izay dia manomana lalao ara-panatanjahantena izy ireo atsy ho atsy hoentina hisarihana ny tanora ho tia firaisankina. Mahatsapa ity antoko naorin’ny Amiraly Ratsiraka ity fa ny tsy fahaizan’ny Malagasy mifampihaino sy miray hina no mahasarotra ny famahana ny krizy eto amin’ny firenentsika. Koa manamafy ny fitakiany izy ireo ny tokony hanatanterahana ny fihaonan’ny filoha efa-dahy dia Ratsiraka Didier, Zafy Albert sy Ravalomanana Marc ary Rajoelina Andry Nirina.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.