Politique

aPM Solonandrasana Mahafaly “Tsy nahomby ireo governemanta nifandimby”


  • Zoma 06 Mey 2016

Niaiky ny tsy fahombiazana tamin’ny fomba fiasan’ny governemanta hatramin’izay ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier.

 

Tsy nipaka tany amin’ny fiainam-bahoaka mantsy ireo tantsoroka ara-teknika sy ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, araka ny fanamarihany. Ohatra mivaingana noraisiny manokana ilay atrikasa goavana fitsinjovana ireo mponina any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Tsy maintsy harindra ny fomba fiasa nandamoka tsy nahitam-bokatra teo aloha, hoy ihany ny tenany. Ho mpitarika tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana mahomby manomboka izao ny fahefana mpanatanteraka eo ambany fiahiany. Mila miainga avy amin’ny fanjakana Malagasy anefa ny fandrafetana sy famolavolana ireo programan’asa rehetra. Ny mpitondra mahefa eto an-toerana ihany mantsy no mahalala sy mahafantatra bebe kokoa ny zava-misy miaraka amin’ny filan’ny vahoaka ao aminy, araka ny fanazavany. Hofaritan’ny mpitondra fanjakana ao anatin’ny taosarintany avokoa moa ireo laharam-pahamehana. Any amin’ny dingana fanatontosana ny fandaharanasa kosa vao hiditra an-tsehatra ireo mpiara-miasa ara-teknika sy mpamatsy vola vahiny, araka ny fanampim-panazavan’ny lehiben’ny governemanta.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT