Nifanindran-dalana tamin’ny lanonam-pianianana nataon’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana anaty tetezamita na ny (CENIT) natao teny Anosy omaly, no nanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny AOSC (Alliance des Organisations de la Société Civile) nahitana an-dRtoa Lalao Randriamampionona, Georges Ruffin … fanambarana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben-toerany teny Tsiadana fa tsy mahaleotena tanteraka ity rafitra vao natsangana ity ka mangataka ny fanafoanana tanteraka ny fanendrena ireo mpikambana ao aminy izy ireo, indrindra ny eo anivon’ny solontenan’ny fiarahamonina sivily ahitana ny rafitra 3 : mpanara-maso ny fifidianana, ny mpiaro ny zon’olombelona ary ny fanabeazana ho olom-pirenena.
Tsy nanara-penitra ary tsy mahasolotena ny Faritra 22 eto Madagasikara ireo voatendry ireo fa tsy natao tanaty fivoriambe ny fifidianana natao ka tsy ahitana taratra velively resaka tenierana katsahan’ny sori-dalana niarahana nanao sonia tamin’ny 16 septambra 2011 izany, hoy ny AOSC. Mila atao mazava tsara koa ny mason-tsivana amin’izay kandidà hirotsaka amin’izany, hoy izy ireo. Mbola tazonin-dry zareo AOSC ireto koa ny heviny amin’ny tokony hanavaozana tanteraka ny rafitra mitantana ity CENIT ity fa efa tsy nahomby ny nisy teo aloha hatramin’ny nananganana azy. Nilaza ny vonona hitondra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana ry zareo raha ilaina izany fa tena anisan’ny zavatra tsy lanin’ny vavonin-dry zareo ny nahamailaka ny eny anivon’ny Prezidansa nikarakara ny fifidianana ireo solontena ao amin’ny CENIT ireo nefa ny Praiminisitra Beriziky no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampiharana ny sori-dalana. Dia asa aloha raha mbola hisy hihaino ireto AOSC ireto fa ny mpitantana rehetra ao amin’ny tetezamita dia tazana avokoa teny Anosy omaly izay midika fa ankatoavin’ny rehetra ireo olona 22 nanao fianianana ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.