Aoka tsy hifanambaka

Angovo mampandroso firenena no ilaina fa tsy jiro tapi-maso


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Aoka hazava ny resaka, tsy hoe rehefa zaraina jiro manazava amin’ny alina

dia izay no atao hoe manana herinaratra ny tokantrano iray. Voafetra ihany ilay hazavana, izay tsy azo lavina aloha fa ilaina. Saingy tsy mijanona amin’ny fanazavana efitrano iray ny ady amin’ny delestazy sy ny paikady famokarana angovo hampandrosoana ny firenena.
MBOLA TENA AMBANY NY TAHAM-PAMOKARANA
Misy tarehimarika vitsivitsy tsara ho fantatra ihany : manodidina ny 30% n’ny tokantrano malagasy no manana herinaratra amin’izao fotoana, raha toa ka 48% ny tahan’ny fananan’ny mponina herinaratra aty Afrika. Tena mbola latsaka ambany be izany ny an’i Madagasikara. Raha ny famokarana angovo eto Madagasikara indray dia avy amin’ny solika ny 57,7% ary avy amin’ny angovo azo avaozina ny 42,3% ka ny famokarana angovo avy amin’ny riandrano ny 39,4% amin’izany. Tsy misy afa-tsy ny 1,4% n’ny famokarana angovo azo avaozina no avy amin’ny herin’ny masoandro hatreto aloha. Izany hoe tna mbola ambany. Raha ny tarehimarika avy amin’ny banky iraisam-pirenena dia afaka mamokatra angovo avy amin’ny riandrano hatrany amin’ny 3500 MW amin’ny alalan’ny fampiasana central hydroélectrique i Madagasikara. Raha ny zavamisy anefa dia tsy nisy afatsy 186 MW no vokatra azo avy amin’izany fampiasana ny rano izany tamin’ny faran’ny taona 2021. Manodidina ny 250 ka hatramin’ny 550 tapitrisa euros ny saran’ny fanamboarana tohadrano ho ana central hydroélectrique iray.Raha raisina izany ilay hoe 300 miliara ariary fanampiana omen’ny fanjakana ny Jirama isan-taona izay natao fotsiny hanetsenana ny banga fa dia afaka manorina central hydroélectrique salantsalany 2 isan-taona i Madagasikara. Ka na misy aza ny fihafiana, mety mbola misy ihany ny delestazy dia efa fantatra mazava kosa hoe afaka 2 taona, voavaha amin’ny ampahany ny olana, ary tsy hiverina intsony dia vahana indray ny olana hafa.
HAZAVANA ATAO TAPI-MASO
Fa ny zavamisy amin’izao fotoana dia tena tapi-maso no ataon’ny fanjakana : toloram-bola be isan-taona ny jirama kanefa tsy mahavaha olana, zaraina jirokely ny isan-tokantrano dia sasana atidoha hoe resintsika ny delestazy. Nilaozan’ireo firenena afrikanina lavitra be , izay nilahatra taminy 20 taona lasa i Madaasikara eo amin’ny resaka famokarana angovo sy fampidiriana herinaratra isan-tokantrano ; anisan’izany i Etiopia izay nihafy 13 taona nanamboatra tohadrano lehibe, tsy nila famatsiam-bola avy any ivelany, fa milamina izy izao. Dia ho gaga ve isika raha ny fiaramanidin’ny Ethiopian Airlines no mampitohy an’i Madagasikara amin’ny any ivelany fa tsy ny an’ny Madagascar Airlines.Misy akony lehibe any amin’ny toekarena sy ny fampandrosoana ny firenena iray ny fahaizana mifehy ny angovo, izay no maha saropady io sehatra io.Mazava ho azy misy akony any amin’ny fiainan’ny mponina ihany koa. Fa raha angovo sady efa lafo no mbola tapatapaka lava, dia tsy mety kosa. Mampanontany tena hoe fizarana jiro hanazava efitrano iray indray ve izany izao no politikan’ny angovo ampiharin’ny fanjakana ? Dia ahoana ny momba ireo orinasa mila angovo ? Na inona na inona atao, mila angovo ny indostria, mila indostria ny fanodinana ny vokatra, ireo no mampahazo aina ny toekarena ; tahaka ny hoe mila lalana hamoahana vokatra sy ifaneraserana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT