Politique

Any amin’i Dada aloha ny lakile


  • Talata 13 Desambra 2011

Hifarana tsy ho ela indray ity ny taona ry Jean. Toa volan-kankafotra tsy misy fihatsarany mihitsy ny fiainanay ambany lanitra.

 Miady mandrakariva amin’ny fiainana, amin’ny fahantrana izahay. Henjana izy ity ry Jean. Lotika ny fo raha maheno ireo zazabodo miandrandra fanomezana avy amin’ny Dadabe Noely. Akory moa hatao ry Jean satria ny tany mena tsy mirehitra ! Toa tena hodianareo tsy hita mihitsy manko ilay tena votoatim-piainana fa saronana fotsiny amin’ireny fety havia sy havanana ireny ilay Fahantrana sy Fahasahiranana efa miantraika amin’ny taolana. Efa tafapetraka amin’ny toerana nirianareo ianareo dia izay no zava-dehibe ho anareo fa ny ankoatra izay dia tsy misy dikany avokoa. Raha mba nihaino sy nijery anareo nanontanian’ireto mpanao gazety vazaha aho, niezaka nanao propagandy nefa koa mamely ihany dia te hisitri-belona

Mahamenatra ry Jean raha toy ireny no valin-teny. Tsy hainareo akory ny niala tamin’ireo fanontaniana fandrika. Ahoana moa ry Jean no hanontaniana momba ny firehana ara-politikan’ny olona eto ianareo amin’izao. Ny fifidianana, hoy ianareo no hanambara izany. Midika ve izany ry Jean fa hirotsaka ianareo e ? Ilay mpifanandrina anefa sakanana tsy hody noho ny tahotra azy. Mazava amin’izao fa dia mbola any amin’i Dada aloha ny lakile ry Jean matoa izy hanaovana ity antsojay rehetra ity e ! Ka tsy marina àry ve izany ?

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT