Mbola noporofoin’ny fitondram-panjakana HVM indray omaly fa tsy vonona amin’ny fampihavanana sy ny fifampiresahana izy. Ora vitsy taorian’ny antso nataon’ny mpitantana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny amin’ny hisian’ny fifanajana sy fifampiresahana amin’ireo asa atao eto dia niroso tamin’ny fandravana ny trano iray eny Ankorondrano anisan’ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana ny andian’olona narahana mpitandro ny filaminana. Nitarika azy ireo ny jeneraly Joseph Ramiaramanana, PDS-n’Antananarivo teo alohan-dRamatoa Lalao Ravalomanana, ary mpanara-maso ny tetikasan’ny filoham-pirenena, raha ny andraikiny ofisialy farany. Tsy nisy fanazavana hafa fa dia hoe :
« iraka handrava ity trano ity aho », hoy ity manamboninahitra ity. Tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro ka mandrak’alina ny fandravana omaly teny Ankorondrano. Raha hiverenana ny tantara, efa nandrava toy izao izy ireo tamin'ny taon-dasa. Nakarina tany amin’ny filankevi-panjakana ny raharaha, ary nandresy ny tompon'ny tany. Nanavao ny tanàna ny tompony araka izany. Niseho indray ny tsy nampoizina satria nivoaka ny “arrêté ministeriel” handravana azy. Tsy mahafoana velively ny didim-pitsarana navoakan’ny filankevi-panjakana anefa io “arrêté ministeriel” io raha ny lalàna no arahina, saingy iniana tsy raharahiana. Mibaribary fa resa-politika tsotr’izao hoenti-misompatra an’i Marc Ravalomanana hatrany ny zava-misy. Isaky ny misy hetsika na fanambarana ataon’ity farany, dia mipoitra eo no ho eo na fotoana fohy ny don-tandroka sy antsojay. Romotra noho ny fihetsik’i Marc Ravalomanana nihaona tamin’ny vahoaka teto amin’ny manodidina an’Antananarivo sy tany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny izay nahomby tanteraka indray angamba ny fanjakana HVM, ka dia manao ny ataony. Rangitina hatramin’ny farany ve i Marc Ravalomanana mba hitroatra sy hihoa-pefy hahafahana misambotra sy managadra azy ? Gafiana rehefa mihaona amin’ny vahoaka, hakatona ny orinasany, lazaina fa mangalatra jiro, harodana ny tranony eny Ankorondrano ary rehefa kelikely dia mety ny tranon-dRavalomanana eny Faravohitra mihitsy no holazain’ny fanjakana HVM fa azy, na hoe ilain’ny fanjakana ka hogiazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.