“Ho avy ny fifidianana, ka izay iray tian’ny olona eo”, hoy i Marc Ravalomanana manoloana ny sotasota ataon’ny fanjakana HVM aminy.
Tandremo tsara fa tsy hipetrapetraka aminareo izahay, hoy ny valin-kafatra sy fanehoan-kevitra feno fahavononana sy fahasahiana nandritra ny diany tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. “Raha mbola izaho ihany koa no izaho, ary ianareo ihany koa no ianareo, dia tsy maintsy miroso isika fa tsy mihemotra”, hoy izy tamin’ireo mpanohana azy. Raha milaza ny fanjakana hoe tsy hamela ahy hirotsaka dia ny azy no be indrindra fa tsy hilamina ity tany ity, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy hanaiky izany ireo olona be dia be ireo satria mila famonjena; Ka mba hampangino ny vavanareo sy ny soratra soratanareo. Lanjalanjao tsara, fa ianareo no mihantsy ady. Ianareo no mandrindrina ny varavaranay kanefa tranonay io fa tsy havelanareo hidirana. Ianareo no manilikilika anay sy manosika anay mandroaka anay amin’ny hotely, kanefa izahay efa nanao famandrihana. Izahay efa mangina aty, dia mbola ianareo indray no milaza anay ho tsy manaja lalàmpanorenana, hoy hatrany i Marc Ravalomanana namarana ny teniny. Tsy nisalasala izy nilaza fa misy mamahan-dalitra any ambadibadika any.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.