Politique

Antsojay atao amin’ny TIKO Hitory Ravalomanana


  • Zoma 15 Aprily 2016

Na dia mangina sy tsy re feo amin’ny resaka politika aza tato ho ato izay ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia tsy mipetra-potsiny fa mikaroka hatrany izay hahafahany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny firenena sy ny fanampiana ny Malagasy.

 Tafiditra ao anatin’izany ny fanokafana indray ireo orinasa ao anatin’ny vondrona Tiko. Misy hatrany anefa ny antsojay satria tsy avela hiasa malalaka amin’ny maha mpandraharaha azy i Marc Ravalomanana ary tahaka ny hanaovana hasomparana mihitsy aza.

Fanaparam-pahefana

Efa nogiazan’ny fanjakana an-kitsirano izao ny tanin’ny Tiko saika hanorenana labatoara maoderna teny amin’ny route digue, izao indray tamin’ny fiandohan’ity volana aprily ity dia nalain’ny fanjakana tsy an-kiera tsy nisy resaka ny tanin’ny ALMA (Asa sy lalana Malagasy) ao anatin’ny vondron’orinasa Tiko eny Andohatapenaka. Efa nanazava ny Tiko sy Atoa Ravalomanana fa mazava sy ara-dalàna ny taratasy, ary tsy tanim-panjakana izany ny eny Andohatapenaka fa tanin’olon-tsotra no novidian’ny Tiko sy nanaovana fifanarahana ara-barotra mazava tsara tamin’ny 2008. Nalaina mba hanorenana ny “village francophone” handraisana ireo vahiny hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia amin’ny volana novambra ilay tanin’ny labatoara, raha toa ka hanamboarana toby fiantsonan’ny taksibrosy sy toby fivarotan-tsolika Total kosa ny Tanimenabe eo Andohatapenaka. Nanamafy i Marc Ravalomanana fa efa mahalala ireo toetra mamohehatry ny manam-pahefana manimba ny fitantanana ny firenena ireo hatramin’ny iraka vahiny manan-kaja mandalo sy monina eto Madagasikara…Tsy mety amin’ny fitantanana firenena ny fanaovana ankamehana sy fanaovana tsindry hazo lena. Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny tany tan-dalàna miaraka amin’ny fiarovana ny zo sy tombontsoan’ny vahoaka no lakile entina hampandroso an’i Madagasikara. Nisy moa tamin’ity herinandro ity ny fihaonan’ity filoha teo aloha ity tamina masoivohona firenena vahiny vitsivitsy ary voaresaka tao io antsojay ataon’ny fanjakana HVM aminy sy ny orinasany io. Fantatra ihany koa araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpiara-miasa akaiky amin’ity filoha teo aloha ity omaly fa miomana ny hitondra ny raharaha Tanimenabe Andohatapenaka eny amin’ny fitsarana ny Tiko.


RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT