Politique

Antsohihy Voasambotra ihany i Jao Jean


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Omaly hariva no nosamborin'ny zandary tany Antsohihy i Jao Jean, mpikambana ao amin'ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

 Tao amin'ny hotely Le Relais de la Sofia no nakana azy. Zandary manodidina ny 10 notarihin'ny manamboninahitra lietna iray no nanatanteraka ny asa. Tranga efa tamin'ny volana aprily izao. Voalaza fa voarohirohy noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona i Jao Jean. Nisy ny didy fampisamborana navoakan'ny Fitsarana ho azy volana vitsy lasa izay. Tsy nisy sahy nanatanteraka anefa. Tonga tany Antsohihy mihitsy ny GSIS nikasa hisambotra azy saingy tsy tontosa izany noho izy izay voalaza fa tsy hita.

Ny nahavariana anefa dia andro vitsy nialoha io nahatongavan'ny GSIS tany Antsohihy io dia nirehareha tao an-toerana ny tenany niaraka tamina minisitra FAT iray. Nojeren'ireo zandary tao an-toerana fotsiny izy tamin'izany. Andro maro taorian'izay dia niakatra taty an-drenivohitra ny Ben'ny tanàna vitsivitsy avy ao amin'ny faritra Sofia niezaka niaro ity mpikambana ao amin'ny CST ity. Nilaza ny Ben'ny tanànan'Antsohihy Rakotondravony Victor Mikhet fa fanasoketana ataon'ny mpanao politika sasany avy ao amin'ny Faritra Sofia ihany no anton'ity tranga ity fa tsy misy izany fanolanana izany mihitsy. Omaly kosa rehefa voasambotra i Jao Jean dia avy hatrany nentina any Mahajanga. Loharanom-baovao hafa no nahafantarana fa ny marainan'ny omaly ny tenany dia efa nitolo-batana tao amin'ny Fitsarana tao Antsohihy saingy tsy noraisin'ny mpitsara fa nasaina niverina amin'ny fotoana manaraka. Ny hariva anefa dia izao nosamborina izao.

Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT