Politique

Antsiranana Lotoina amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ny fizahantany


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Mitebiteby fatratra ny vahoaka ankehitriny ary tafiditra anaty krizy lalina, hoy ny CT Abdallah M’Chindra avy amin’ny VAM (Vahoakan’Antsiranana Mitambatra), nefa dia mbola tafiditra indray koa amin’ny fifanandrinan’ny Malagasy samy Malagasy.

 Ho an’ny vahoakan’Antsiranana, hoy izy, dia tsy mahatsiaro fiainana sambatra izany izy raha tsy voafehin’ny fanjakana ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Noraisiny ho ohatra akaiky ny tokony hitadiavan’ny fanjakana hevitra hampijanonana ny vidin’ny solika amin’izao misy azy izao aloha satria mbola hampiakatra ny vidim-piainana izay tsy izay indray ny fiakaran’izany raha sanatria hisy. Tokony mba hitady fomba hafa ahazoana angovo moramora kokoa noho ny solika isika, hoy ity CT avy any Antsiranana ity. Mikasika ny tsy fandriampahalemana dia nambaran’i Abdallah M’Chindra fa tsy any Antsiranana irery no ahenoana izany fa manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy ankehitriny. Ohatra amin’izany, hoy izy, izay miseho any Toamasina nefa aely loatra ny vaovao mikasika azy na ny eto Antananarivo ihany koa izay misy vono olona foana saika isan’andro nefa tsy aparitaka be ihany koa afa-tsy an-gazety. Fa any Antsiranana dia voizina izay tsy izy izany resaka «Foroch» izany sns… mba hampandemena ny mpizahantany tsy harisika ho any aminay any. Misy resaka politika hafahafa ao anatin’izany, hoy izy, satria fantatra fa ny any SAVA sy DIANA dia ny mpandraharaha tompon-tany no tena misahana ny fampiroboroboana ny fizahantany any ka tadiavina hovonoina amin’ny fifaninanana tsy mendrika. Raha tonga anyAntsiranana ianao, hoy izy, dia milamina tsara ny andavanandrom-piainana’ny olona any.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT