Antsirabe I

> Mitarika amin’ny isam-bato ny Dr Robinson


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013


Saika naripaky ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny vato rehetra tao Antsirabe raha ny vokatra vonjimaika nanerana ireo biraom-pifidianana no jerena. Raha ny tao amin’ny Fokontany Manodidina ny Gara izay nahazoana vokatra feno dia mitarika ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny isam-bato : 632 manaraka azy ny kandidà Edgard Razafindravahy : 277, ny kandidà Camille Vital : 224, ny kandidà Hajo nahazo vato 183 ary ny kandidà Hery Rajaonarimampianina : 134. Raha ny tao amin’ny Fokontany Antsenakely dia nahazo vato 49% ny Dr Robinson amin’ireo vato manakery niisa 689. Saika toy ireo avokoa moa ny vokatra vonjimaika azo hatramin’ny fotoana nanoratana. Nilamina ny fifidianana tamin’ny ankapobeny na dia betsaka aza ny olana tsy nahafahan’ny rehetra nanao ny adidiny. Ankoatra izay dia azo antoka fa nandrisika ny maro hifidy ny fisian’ny kandidà notohanan’i Dada raha ny tao Antsirabe satria nahatratra hatramin’ny 70% mahery ny salam-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny ankapobeny raha ireo vokatra azo hatreto aloha.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT