Politique

Antokon’ny fitondrana tany Tolagnaro Notambazana vary iray lovia ny olona


  • Talata 20 Febroary 2018

Nampideran’ny Antoko HVM ny vola aman-karena ananany ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 tany Tolagnaro ny faran’ny herinandro lasa teo.

Notambatambazana ny vahoaka mba ho avy, ka vitan’ity antokon’ny fitondrana ity mihitsy ny namono omby miisa 8 hohanin’ny olona. Mbola nanakarama an’i Black Nadia nanao fampisehoana maimaimpoana koa izy ireo hisintonana olona maro. Nandeha ihany koa ny resaka fa nisy ny fizaram-bola hatrany amin’ny 10 000Ar isan’olona nentina nanambazana ny vahoaka sasany. Te hampiseho fa manana olona, ka tsy maintsy manao izay fomba rehetra. Nandeha tsy nisy sakantsakana, tsy toy ny natao an’i Marc Ravalomanana ny diabe tao an-tanàna. Nanatrika tany an-toerana ny filohan’ny Antenimierandoholona sady filohan’ny antoko HVM Rivo Rakotovao. Tsy tena fitiavana sy fanohanana an-kitsim-po no niseho tany Tolagnaro fa vaky bantsilana ny fanambazana olona hanotrona ny HVM. Io resaka fividianana olona io no tena paik’ady hampiharina amin’ny fifidianana, ankoatra ny mety ho kajikajy any anaty fangalaram-bato. Tsy adala anefa ny vahoaka, ka hanaiky izay vary iray lovia na vola 10 000Ar tsy mahavita taona. Raisina aloha izay azona raisina ary hanina izay azo hanina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT