Notontosaina omaly zoma 26 janoary tao Ambositra ny fihaonambem-paritry ny Antoko HVM ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Teo ambany fiahian’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rivo Rakotovao ny fihaonana natao tao amin’ny Fark Md Joseph Ambositra, ary nandeha tsy nisy sakantsakana satria ny antokon’ny fitondrana moa no manao hetsika, ka dia afaka nanao izay tiany natao.
Ny maraina kosa dia efa nivoaka ny resaka fanambazana ireo “moto” hitarika ny “tam tam” eraky ny tanàna, izay nokaramaina 20 000Ar isanisany, ary niantohana ihany koa ny solika ankoatra izay. Raha ny tombantombana sy ny resaka nivoaka, dia tsy latsaky ny 30 tapitrisa ariary fandaniana nandritra ity koranan’ny HVM ity. Ny fampitam-baovao avy any an-toerana ihany koa nahalalana fa nandeha ny teritery isan-karazany ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana nentina nampahombiazana ity fihaomben’ny HVM ity. Tsy nandeha tam-pitiavana na fanohanana an-tsitrapo ny HVM fa nandeha ny fanakaramana olona, toy ny mahazatra. Tsy fahombiazana, araka ny hireharehan’ny HVM araka izany no niseho fa henatra sy fahafaham-baraka. Nivoitra tamin’ny kabarin’i Rivo Rakotovao nandritra ity fihaonambem-paritry ny antoko ity kosa ny fanentanana ny olona mba tsy hatoritory fa mivonona hatrany amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Tsy tokony hisy hanakorontana, ary nilaza i Rivo Rakotovao fa tsia tia korontana na hanakorontana ny HVM. Nilaza ihany koa ny tenany fa tsy matahotra fifidianana ny antokon’ny fitondrana. Afaka mitsara ny rehetra hoe: iza no mpanakorontana sy mihetraketraka lava eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ? Iza no tsy mahatoky valera ka misompatra ny hafa sy manao izay tsy hilatsahan’ny kandida atahorana ? Iaraha-mahita io figafiana an’i Marc Ravalomanana io na aiza na aiza alehany, ary i Rivo Rakotovao mihitsy no voalaza fa iaingan’ny teny midina amin’io gafy andro aman’alina io. Aiza ho aiza amin’izany ilay tsy tia korontana ? Fihatsarambelatsihy sy fialonana ary tsy fahatokisan-tena anefa no tena mameno ny atifanahin-dry Rivo Rakotovao sy ny ekipany. Tsy hita izay zava-bita fa lany andro amin’ny antsojay. Raha tena mahatoky tena dia mamela ny hafa ankalalahana, saingy indrisy fa baikon’ny fialonana sy efa mahafantatra ny fankahalam-bahoaka, ka tsy maintsy mitady fomba maloto rehetra hoenti-mifikitra amin’ny fahefana na inon-kidona na inon-kihatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.