Mitatra amin’ireo antoko madinika koa ankehitriny ny fivakisana.
Rehefa tratran’ny fisaraham-bazana ny Arema, TIM, PSD dia anjaran’ny Vonjy Iray Tsy Mivaky (VITM) indray izao. Raha nanatanteraka filankevitra nasionaly tany Vangaindrano mantsy ry dokotera Razanabahiny Christian ny 30 aogositra 2012 teo ka nametrahan’ny mpivory ity farany eo amin’ny toeran’ny filoha vaovaon’ny antoko dia mitsipaka izany marindrano kosa ny mpikambana sasany tarihan’ny birao politika. Nambaran-dry Rakotoniriana Eugène Félix, mpandrindra ny antoko fa «sady tsy filankevitra nasionaly no tsy filankevi-paritra koa ilay notontosaina tao Vangaindrano io satria tsy ny birao politika no nampiantso izany».
Mpikambana amin’ny birao politika isaina amin’ny rantsan-tanana avy ao Fianarantsoa sy Toliara ihany no nanatrika izany raha tsy nisy nampilazana kosa ny birao avy amin’ny renivohi-paritany hafa rehetra. « Na izaho izay tsy nanatrika io sarintsarina filankevitra io aza dia nambara fa tao amin’ny vaomiera momba ny tanora”, hoy Razanabahiny Eric izay anisan’ny mitarika ity fanoherana ilay fanapahan-kevitra nataon’ny rahalahiny ity. Ankoatra ireo dia melohin’ireto farany koa ny ambarany fa fisandohana natao tamin’ny anaran’ny filohan’ny antoko, Atoa Etsifosaina. “Lazaina fa nanatrika io filankevitra io izy nefa marary any Toliara izy izao ary ny tenako mihitsy no nanatitra azy tany”, araka ny fanazavan’i Pierre Lenoble. Eo anatrehan’izao zava-misy izao dia hisy ny sazy horaisina amin’ireo nandika ny sata mifehy ny antoko, hoy izy. Hotontosaina tsy ho ela koa ny filankevitra nasionaly ara-dalàna an’ny antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.