Tsy mankasitraka ny fahamaikana hanatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay ho avy izao ny antoko UNDD (Union Nationale pour le Développement et la Démocratie), naorin’ny Profesora Zafy Albert, araka ny filazan’ny sekretera jeneraliny Atoa Manoro Regis omaly, nandritra ny fanokafana ny kongresy faharoan’ny antoko, teny amin’ny Espace Salohy Iavoloha.
Tahaka ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana ary ny vondrona politika sy olom-pirenena maro dia tsy mankasitraka ny fomba nandaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha IV ity antoko ity, ary mitaky ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka vaovao hahafahana mametraka lalàmpanorenana tena izy. Na ny sehatra iraisam-pirenena aza, hoy i Manoro Regis dia tsy manaiky io lalàmpanorenana petatoko io, koa amin’izy ireo dia tsy hamaha ny krizy velively ny fanaovana fifidianana an-kisisika, Atoa Manoro Regis aza dia karazan’ny efa nanao sarisarin-teny mihitsy fa mety tsy hisy ny fifidianana amin’ny 24 jolay. Eo amin'ny resaka fifidianana dia nanambara ny sekretera jeneralin’ny UNDD fa maro ny olona tsy manam-pinoana intsony fa mety hisy marina izy io na tsia. Manampy trotraka izany, hoy izy, ny mety ho fahatongavan'ireo iraka manokan'ny SADC eto amintsika ankoatra ny fanelanelanana mbola hataon'ny FFKM.
Amin’ity anio ity vao hivoaka ny tena fehin-kevitry ny kongresy, fa raha ny lojika izany dia tsy hanolotra kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena aloha ny UNDD, satria tsy mankasitraka ny fanaovana ny fifidianana, fa fitsapan-kevi-bahoaka aloha no atao, aorian’izay vao dinihana indray ny dingana manaraka. Na izany aza anefa dia antony nanaovana izao kongresy izao ny fandinihana ny toerana misy ny antoko sy ny andraikitra tokony horaisina manoloana ny raharaham-pirenena. Raha tsiahivina dia ny filoha teo aloha ny profesora Zafy Albert no nanorina ity antoko ity saingy ny toe-draharaham-pirenena sy ny zava-nisy tamin'izany fotoana dia nanomboka nisedra olana ny antoko. Na izany aza anefa mivonona ny hiatrika ny zava-misy hatrany eto amin'ny firenena ireo mpikambana rehetra manerana ny Nosy.
Fa nahazo fanakianana mafy tamin’ny Profesora Zafy Albert izay nitafa tamin’ny alalan’ny telefaonina tamin’ny kongresista ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), noho ny fitanilany. Mbola nanamafy izay i Manoro Regis ary nanamarika fa anisan’ny tompon’andraikitra nahatonga izao krizy izao ny filohan’ny HCC. Mampanahy ny tsy fitanilan’ity andrim-panjakana ity, hoy izy ary vao miha manahirana ny mieritreritra fa ny filohan’ny HCC ihany no mbola filoha mitarika ilay fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES). Efa tapitra ny fotoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny HCC, hoy i Manoro Regis fa dia manao bondongerona midongy toerana fotsiny izy ireo. Andrasana fatratra amin’ity tolakandro ity ary izay tena hevitry ny UNDD sy ny fepetra horaisiny. Marihana fa 20 taona lasa izay no nanao kongresy farany ity antokon’ny Profesora Zafy Albert ity.
RTT sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.