Nanomboka omaly tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba ary hifarana anio ny filankevitra nasionalin’ny antoko UNDD tao anatin’izay fotoana ela tsy nahenoana ny feon’izy ireo izay.
Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny, araka izany, ny « Union Nationale pour le Développement et la Démocratie », Antoko politika naorin’ny profesora Zafy Albert ny taona 1988. Nambaran’ny dokotera Rakotovahiny Emmanuel, filoha mitantana ny antoko fa ilaina ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena eto amin’ny firenena raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara. Foto-kevitra efa nijoroan’ny antoko tamin’ny fotoana nahaveloman’ny filoha Zafy Albert teo aloha izany raha tsiahivina ary mbola tazonin’izy ireo ankehitriny. Hofaritan’ny antoko ao anatin’izao 30 taona nijoroany izao ny heviny sy ny toerana misy azy manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny, hoy ny fanamafisan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Manoro Regis. Miantso ny Malagasy handray ny andraikiny ihany koa ny antoko amin’ny alalan’ny fampahatsiahivany fa zavatra miisa 3 no mila apetraka mazava eto dia ny atao hoe adidy sy zo ary fitsipika na « discipline ». « Mazava sy efa tontosantsika ve ireo ?”, hoy ny fanontaniana mipetraka.
J. Mirija/ Pati
Legende : Tetsy amin’ny Live Hotel omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.