Nifarana omaly zoma 12 aprily ny kongresy nasionaly faharoan’ny antoko UNDD anaty Ankolafy Zafy Albert. Nivoitra indrindra tao anatin’ny kongresy ny fangatahan’ny mpizaika ny hanoloana ny filohan’ny antoko.
Toa nanamarina ny vinavinan’ny mpitazana ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny filoha teo aloha Emmanuel Rakotovahiny sy ity sekretera jeneraliny ity. Lany ho filoha vaovao rehefa nahazo ny salan’isa 95,64 % tamin’ny vato nanankery ny Pr Manoro Régis izay sekretera jeneraly teo aloha. Roa ny kandidà nifaninana taminy dia Rabe Jacques sy Maharavo Jean de Dieu. Koa satria takian’ny sata mifehy an’ity antoko ity ny tsy maintsy hifidianana koa ny sekretera jeneraly aorian’ny fifidianana filoha dia lany Atoa Cyrille Miams nahazo ny salan’isa 69%. Atoa Jean Chrystophe no nifaninana taminy.
Tsy nisy resaka fanolorana olona hofidiana ho filoham-pirenena tao anaty kongresy, hoy ny filoha vaovao. Heno siosio tamin’ny fifampiarahaban’ireo namamy azy anefa ny hoe : hatramin’ny filoha faratampony io â ! Nandinika fatratra ny resa-pifidianana kosa anefa izahay satria elaela tsy niatrika izany ary dia vonona ny hanolotra kandidà amin’ny sehatra rehetra hanatanterahana izany. Hotsindrianay mafy manomboka izao koa ny resaka fifandraisana, hoy Atoa Manoro Régis izay fantatray fa tsy ampy tokoa teo aloha teo. Mbola naveriny notsindriana indray moa teny amin’ny Espace Salohy Iavoloha omaly fa ry zareo dia tsy mankasitraka ny fomba nandaniana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha IV tamin’ny taona 2010 ka mitaky ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka vaovao hametrahana lalàmpanorenana vaovao. Io mihitsy no tokony hatao, hoy izy, fa amin’izao tsy fisian’ny fitoniana izao, fifidianana inona no azo atao eo ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.