Politique

Antoko tsy manan-katolotra Hanohana an-dRavalo sy Rajoelina


  • Zoma 23 Febroary 2018

Hatreto, raha ny fanadihadiana sy ny tombatombana taratra amin’ny valintenin’ireo antoko na vondrona politika heverina ho salantsalany na madinika mihitsy aza ny sasany mikasika ny mety ho tohanan’izy ireo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity dia tsy hita tabilao loatra ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

 Mbola tsy nilaza ny hilatsaka moa ny filohan’ny vondrona Mapar, Andry Rajoelina, fa raha ny fanamafisan’ny antoko Maitso, tarihin’ny filohany, Alexandre Georget, aloha dia mpikambana feno eo anivon’ny vondrona politika Armada izy. 1 aminay 5 mirahalahy filohan’antoko mikambana ao, hoy ity filoha ity, no ho kandida. Izany hoe, na ny filohan’ny antoko Maitso na Avana, Jean Louis Robinson, na Hiaraka isika, Camille Vital, na MMM, Hajo Andrianainarivelo, ary mazava ho azy ny tompon’ny vina IEM, izay tsara toerana indrindra, Andry Rajoelina. Isan’ny efa nanambara ny fanohanany an-dRajoelina mihitsy moa ny filohan’ny fikambanana Asandratro ny tanindrazako, Nandrianina Rajoharison. Etsy ankilany kosa dia isan’ny hita ho mirona any amin’ny fanohanana ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana, ny antoko Vahoaka Miray, tarihin’ny sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana. Raha tsaroana dia isan’ny karazana teny fandretirentin’ity antoko ity tamin’ny fotoan’androny ny hoe « Dada 100% ». Ny antoko Kintana, tarihin’ny filohany, Tabera Randriamanantsoa, moa dia saika hita matetika niray donak’afo tamin’ity mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo ity sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT