Politique

Antoko TIM Nisy nivarotra ambongadiny


  • Alakamisy 02 Mey 2013

Nihazakazahan-dRaharinaivo Andrianatoandro ny hifehy ny antoko Tiako I Madagasikara na TIM rehefa nisintaka tamin’i Marc Ravalomanana, mpiara-nanangana izany antoko izany, ny tenany.

 Tsy nahefa anefa, satria sady tsy nahavita kongresy no tsy nanana kandida hatolotra rehefa injay raikitra ny fifidianana. Ankehitriny dia nipatitaka tsy voafehiny intsony ny olony. Nialokaloka eo ambany elatr’i Andry Rajoelina Rakotovao Vyvato, nanohana an’i Camille Vital i Ngolo Gilbert, niara-dia amin’i Hajo i Faneva Arondahy Noël, nisafidy hiverina ao Bel’Air i Rina Andriamandavy VII. Tsy foto-kevitra intsony fa dia tombontsoa manokana sisa no mibaiko ireo mpikambana nanara-dia an-dRaharinaivo, hany ka tsy mahagaga raha nisafidy ny hanohana an’i Ny Rado Rafalimanana ny ambiny tao. Lafo ambongadiny ny TIM, hoy ny mpitazana. Etsy amin’ny Magro Behoririka moa dia efa tsy dia fandre loatra ao ny anaran’ity antoko ity rehefa noviravirain’ny sasany, fa ny ankolafy Ravalomanana no nomasahana, izay nanolotra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ho kandida filoham-pirenena.  Manantena ny zanak’i Dada fa hoeken’ny CES tsy misy fanilikilihana ny filatsahan-kofidiany, ka dia amin’ny sabotsy mifankahita, hoy ny CST Rakotonirina Lovanantenaina, nanentana ny mpitolona hiomana hamita ilay “1er tour de vita”.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT