Teny amin’ny trano fonenany teny Amboditsiry ny sabotsy teo, tamin’ny fihaonany tamin’ireo solontenan’ireo mpiara-mitolona mpanohana azy ao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo no nilazan’i Guy Rivo Randrianarisoa, depiote sady mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, fa : mijoro ary misy ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ary haverina amin’ny tanjany tamin’ny fotoana namoronan’ny filoha Marc Ravalomanana azy.
Nambarany fa ho tontosaina tsy ho ela rahateo ny kongresy nasionalin’ny TIM mba ahafahany miatrika ny fifidianana manaraka rehetra eto amin’ny firenena ka andao hampiantsika ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Tsy maintsy alaintsika sy hiverina amintsika (amin’ny alalan’ny fifidianana) ity Kaominin’Antananarivo Renivohitra ity, hoy hatrany i Guy Rivo Randrianarisoa ka enga anie, mba hanaiky ho kandidan’ny TIM amin’izany i Neny Lalao Ravalomanana. Misy paikady ara-politika ao anatin’izao fiverenana an-doharano izao. Handray anjara amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna mantsy ny TIM ka ny fampiasana ny anaran’ity antoko ity no hananany herizika kokoa hahazoany toerana betsaka. Ankoatra ireo Kaominina nanendrena PDS rahateo dia saika mbola Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny TIM ny ankamaroan’ireo mitondra amin’izao. Milaza ny hanana kandida amin’ireo Kaominina 1549 moa ity antoko lehibe ity, izay manana solombavam-bahoaka miisa 21 amin’izao, ka dia efa manomana ny mpikambana eny anivon’ny Fokontany. Vitantsika izany rehefa tsy miova loko isika ary tsy miparitaka fa miray hina tsara, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.