Politique

Antoko TIM Antoky ny fitoniana politika eto Madagasikara


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Niresaka an-telefaonina tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny filohan’ny parlemantera Panafrikanina Roger Ndoko Dang.

 

Nifampidinika tamin’ ireo parlemantera Tiako I Madagasikara ihany koa  izy ny alakamisy alina teo. Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny fifampizarana traikefa niompana tamin’ny lohahevitra maro. Anisan’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny fahafahana miteny sy maneho hevitra, ny fahaiza-mitantana, ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly izay samy fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Voadinika manokana ny antony tsy mbola mampihodina ny orinasa Tiko izay afaka miteraka asa hatrany amin’ny 4 alina sy ny sakana amin’ny fanokafana ny haino aman-jery MBS. Nankasitraka ny antoko sy ny filoha nasionalin’ny TIM Ravalomanana Marc nanampy betsaka ny fitondram-panjakana mijoro amin’ny antoky ny fitoniana politika eto Madagasikara ity lehiben’ny rafitra mpanao lalàna eo anivon’ny Vondrona afrikanina ity. «Ao anatin’ny krizy lalovan’ny fiarahamonina Malagasy toy izao tokoa mantsy no ilaina ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ny rehetra ho fanarenana ny firenena», hoy izy. Ankoatra izay dia nampahafantatra fohy ny zava-nisy tany Kameronina nandritra ny 17 taona naha depiote azy kosa ity vahiny manan-kaja ity.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT