Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara ao amin’ny kaominina Ambohimangakely distrikan’Avaradrano ny sabotsy 11 febroary lasa teo.
Vory lanona ireo mpikatroka rehetra eny an-toerana notarihan’ny filohan’ny COMTIM eny an-toerana ka ny masoandro maty no nampalahelo tamin’ny fiarahana nifaly sy nitotorebika. Ny hafatra fohy nampitaina tamin’ny mpikatroka teny an-toerana moa dia ny fanentanana hivonona amin’ny fiatrehana an’ireo fifidiana rehetra ho avy amin’ny taona 2018, indrindra ny hamerenana amin’ny toerana maha Filoham-pirenena azy indray ny Filoha Mac Ravalomanana mba hanarina an’ity firenena latsaka an-davaka ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.