Fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ary fametrahana ny asa rehetra tanterahina eny amin’ny Vohitr’Ambohimanarina Boriborintany faha-6 na an-tsaha na an-tanàna notarihan’ny mpitandrina Rabemanana Tojo no nisantarana an’ireo hetsika 5 ho tanterahan’ny TIM
Ambohimanarina miaraka amin’ny depiote Rasoanoromalala Horaceteny amin’ny efitrano fisoratam-panambadian’ny Boriborintany faha VI Anosisoa Ambohimanarina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tao ny hetsika fanokafana ofisialy ny fifaninanana « Fonenana Madio » miaraka amin’ny mpifaninana 45 avy amin’ny fokontany 31 ka nanolorana azyireo seau sy kifafa natolotr’i Rtoa Depiote hiatrehana izany . Hetsika faharoa ny fitondran’ny vehivavy niisa 30 avy amin’ny hetsika “Mitsinjo ny hoaviny” andiany faha-2 ny Boaty vilany tany hitehirizana vola hanatanterahana tetikasa efa voafaritra mialoha ka ny anjaran’ny depiote Horace amin’izany no nefainy tamin’io andron’ny sabotsy io. Hetsika faha-3 ny fanokafana indray ny fianarana “informatique” (bureautique sy dactylographie) maimaimpoana andiany faha-4 fanao isan-taona ka mpianatra 50 mianadahy no hisitraka izany.
Hetsika faha-4 dia ny fandraisana ireo vehivavy hianatra « Coupe & Couture” maimaimpoana andiany faha-3 efa nahazo « machine à coudre » natolotry ny ben’ny tanànan’Antananarivo-renivohitra, Lalao Ravalomanana.
Hetsika faha-5 farany dia ny fandraisana an’ireo vehivavy tanora na lehibe hanao Zumba Fitness hitaizana vatana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.