Nivory teny Faravohitra ny birao politikan'ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) sy ny mpitarika omaly zoma 28 jolay 2017, notarihin’ny filohany Ravalomanana Marc.
Mitandro mandrakariva ny fitoniana (apaisement) ny antoko Tiako i Madagasikara, hoy izy ireo. Tsy milavo lefona fa hanohy hatrany ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-15 nijoroany ao amin'ny kianjaben'i Mahamasina. Voizina hatrany ny hoe “never give up” na aza kivy sy leo, fa mila manohy hatrany ny efa natomboka na inona na inona sakana. Na oviana na oviana dia tsy maintsy ho tanteraka ny fankalazana ary ao anatin’ny teny faneva rahateo ny hoe: “aza matahotra fa minoa fotsiny ihany”. Manaja lalàna kosa anefa ny antoko ary tsy midika faharesena mihitsy ny fanekena ny jadon’ny fanjakana, izay mihevi-tena ho mpandresy eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny lalàna. Tsy mitombina sy tsy ara-dalàna rahateo izany hoe didim-pitondrana navoakan’ny Prefektiora izany no hanakanana ny fampiharana ny didim-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny filankevi-panjakana, saingy hodian-tsy hita izany eto amintsika. Efa izay metimety amin’ny mpitondra no atao eto, ka izay saim-patany sy mahasoa azy no zava-dehibe fa tsy izany tany tan-dalàna na demokrasia izany velively. Efa malemy sy modraka ny fanjakana, matoa mahana tsy henjehina, ka manao didy jadona sy didin’ny be sandry lava tahaka izao. Tsy mbola eo ambony ringan’ny fifidianana, dia efa mihorohoro, mainka rehefa raikitra tokoa ny tokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.