Fantatra izao, araka ny fampitam-baovao voaray, fa hanatanteraka fiaraha-mivavaka miavaka natao ho an’ny rehetra anio talata 26 janoary ny antoko Tiako i Madagasikara, ka eny amin’ny Magro Tanjombato no hitrangan’izany manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina.
Lohahevitra hovoizina ao ny hampifandrindrana amin’izay voalazan’ny Soratra Masina ny ny lalan’ny fampiombonana takiana amin’izao taona vaovao izao ho entina mampandroso ny firenena. Marihina fa efa tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny antoko TIM hatrizay ny fiankinan-doha amin’Andriamanitra araka izay efa nofaritan’ny filoha mpanorina azy ka tsy mahagaga ny fikarakarana hetsika tahaka izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.