Mihetsiketsika ny any Manjakandriana
Velona sy miaina ny Tiako i Madagasikara manerana an’i Madagasikara, ary mipetraka hatrany anaty fokontany ny rafitry ny antoko. Ohatra iray azo tsapain-tanana ny rantsan’ny Antoko any amin’ny Kaominina Ambohidratrimo an’Ala,
distrikan’i Manjakandriana. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taonany ny TIM amin’izao fotoana izao, ka mba ho fiaraha-mientana sy hanamarihana manokana izany, dia nanao hetsika iraisana, nanamboatra lalana ny TIM avy amin’ny fokontany Rangaina, Amboangy, Ambohidava. Mampifandray fokontany 3 io làlana io, izay manampy betsaka ny tantsaha amin’ny fitaterana ny vokatra, kanefa potika nandritra ny rivodoza. Tsy vita ao anatin’ny iray andro ny fanamboarana. Isaky ny sabotsy no fotoana nosafidian’ny vahoaka hanaovana ny asa sady fotoana entin’ny TIM any an-toerana nanamafy ny fiaraha-mientana sy fanetsiketsehana ny rehetra amin’ny fanohanana hatrany an’i Marc Ravalomanana. Nandefa solontena tany an-toerana ny Senatera Ramalason Olga, voafidy tamin’ny alalan’ny TIM, ka Raharinosy Zo, Mpandrindra ny vehivavy TIM ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana no iraka nalefany niara-nisalahy tamin’ireo vahoaka tany Ambohidratrimo an’Ala. Nisolotena ny mpikamban’ny Birao politika nasionaly Jean Pierre Rakotoarivony kosa ny I Alisoa Lucile Masy Rakotomalala, izay sady mitazona ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ny Vehivavy TIM any amin’ny distrikan’I Manjakandriana. Teo ihany koa Rakotondrambola Alfred, solontenan’ny vahoaka sady mpikamban’ny Biraon’ny DISTIM any amin’iny faritra Vakiniadiana iny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.