Politique

Antoko Tia Tanindrazana Nahazo ben`ny tanàna dimy


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Sambany ny antoko Tia Tanindrazana no nisedra safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana.

 

 

 

Ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 moa no nisantarany izany. Tamin`ireo kaominina miisa 34 no nandrotsahany kandidà ben`ny tanàna sy Mpanolotsain’ny tanàna dia miisa dimy ireo kandida Ben’ny tanàna voafidy ofisialy araka ny vokatra navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny zoma lasa teo. Tato amin’ny Faritra Analamanga, dia voafidy ho Ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano Rakotobe Christian izay fanintelony misesy izao no nahavoafidy azy ho Ben’ny tanàna. Tao amin’ny Faritra Vakinankaratra dia voafidy ho Ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Betafo  Randriatahinamalala Livasoa Moratiavina. Voafidy ihany koa ny kandidan’ny antoko tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Manohisoa, distrikan’i Betafo, dia i Bekoto Abdon Jeriko sy ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Mandritsara mbola distrikan’i Betafo ihany koa, dia Rakotondranaivo Roger. Voafidy ho Ben’ny tanàna ihany koa Ramanjato Désiré, kandida narotsaky ny antoko Tia Tanindrazana tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Vinany, Distrikan’i Mandoto, Faritra Vakinankaratra. Fa nofoanan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Fianarantsoa ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahazoarivo, distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania. Nandrotsaka kandida tao amin’ity kaominina Mahazoarivo ity ny antoko Tia Tanindrazana, tamin’ny alalan-dRakotomaharavo Lucien. Raha ny lalàna dia tanterahina ao anatin’ny 120 andro ny famerenana ny fifidianana ka ny CENI no hamaritra ny daty hanatanterahana izany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT