Politique

Antoko Tia Tanindrazana Hanolo-tena ho an`ny vahoaka


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Ao anatin`ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra isika amin`izao. Nanatanteraka ny azy omaly ny antoko Tia Tanindrazana.

 

Teny amin`ny kaominina Andoharanofotsy no nanatanterahana izany, fotoana iray izay nisaorana ireo mpanohana rehetra sy nisaorana an`Andriamanitra ihany koa ny amin`ny fanombohana ny fampielezan-kevitra. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny birao politikan`ny antoko Tia Tanindrazana notarihan`ny filohany, Atoa Tahina Razafinjoelina. Araka izany, notsofin-drano  ireo kandidà 4 amin’ny anaran’ny antoko miampy 30 hafa tsy miankina izay tohanan’ny Tia Tanindrazana amin`izao fifidianana ben’ny tanàna izao. Nandritra ny lahateniny dia nanambara ny sekretera jeneralin`ny antoko  Tia Tanindrazana, Schall Ramanantsoa fa mbola hotetezina avokoa ireo toerana ireo amin`ny fotoana mahamety azy. Nandritra izany ihany koa no nanolorana ny kandidà ao amin`ity kaominina ity. Miroso amin’ny fiaingana vaovao, ka mivonona hiditra an-tsehatra bebe kokoa amin’ny raharaham-pirenena ny antoko Tia Tanindrazana. Ny ben’ny tanàna no endrika tsara indrindra amin’ny fitsinjaram-pahefana, ho an’ny antoko Tia Tanindrazana ka izay no nisafidianana hoe natomboka tany amin’ny kaominaly ny fidirana an-tsehatra. Raha tsiahivina, nijoro ny 07 desambra 2010 ny antoko. Nijoro tamina foto-kevitra ary tsy mbola naniry naka toerana mihitsy satria te hiteny sy haneho fa ny politika dia fanoloran-tena ho an’ny vahoaka fa tsy fitadiavam-bola sy voninahitra. Manana ny vinam-pampandrosoana mazava ny Tia Tanindrazana, izay mifototra amin’ny FANABEAZANA, ny FITSINJARAM-PAHEFANA ary ny TEKNOLOJIA.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT