Politique

Antoko Tia Tanindrazana Fanalahidin’ny fampandrosoana ny kaominina


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Miroso amin’ny fiaingana vaovao, ka hiditra an-tsehatra bebe kokoa amin’ny raharaham-pirenena ny Antoko Tia Tanindrazana,

 

 

 

 ka nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly 2 oktobra 2019 tetsy amin’ny Restaurant Le Pavé Antaninarenina ny tanjony sy ny tarigetrany, ary indrindra ny fandrotsahany sy fanohanany kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. 4 ny kandida amin’ny anaran’ny antoko miampy 30 hafa tsy miankina izay tohanan’ny Tia Tanindrazana.  Raha ny tantarany dia nijoro ny 07 desambra 2010 ny Antoko Tia Tanindrazana, araka ny taratasy fanamarinana laharana faha-4645/MININTER/SG/DGAT/DAP/SLP/PP. Nijoro tamina foto-kevitra foana ny antoko, ary tsy mbola naniry naka toerana mihitsy satria te mba hiteny sy hampiseho, fa izany politika izany dia fanoloran-tena ho an’ny vahoaka fa tsy fitadiavam-bola sy voninahitra, hoy i Tahina Razafinjoelina Filoha Nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana. Manana ny vinam-pampandrosoana mazava ny Tia Tanindrazana, izay mifototra amin’ny FANABEAZANA, ny FITSINJARAM-PAHEFANA ary ny TEKNOLOJIA.

Mifanaraka amin’ny zavamisy

 85% amin’ny Malagasy no tsy an’asa raha ny tatitry ny Instat. Manana anjara lehibe ny fanabeazana satria na inona na inona resahina rehefa tsy an’asa ny tanora, dia misy tsy mety ny fanabeazana, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Tsy mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny ny fanabeazana. Tsy hoe manaratsy faobe, fa tokony hampifanarahana ihany amin’ny zava-misy. Tena manahirana amin’izao fotoana izao dia tsy mahalala ny harena misy eto Madagasikara akory ny ankamaroan’ny tanora Malagasy. Manana adidy ny kandida sy ny ben’ny tanàna hampahafantatra fa manan-karena isika: hazo sarobidy, vato sarobidy, solika,… Mampalahelo izany, hoy izy, ka izay no hametrahana ny fanabeazana ho loharanon’ny fampandrosoana. Vitsy ny vita ny Malagasy no mivelatra maneran-tany, ka manana anjara adidy goavana amin’izany isika hanabe ny tanora, hanabe ny zanantsika, hanabe ny mpandraharaha hivelatra.

Fampandrosoana eny ifotony

Ny ben’ny tanàna no endrika tsara indrindra amin’ny fitsinjaram-pahefana, ho an’ny antoko Tia Tanindrazana ka izay no nisafidianana hoe natomboka tany amin’ny kaominaly ny fidirana an-tsehatra. Sarintsariny fitsinjaram-pahefana, raha ny fahefana no homena fa ny vola mody tazonina aty ambony ihany, ka tsy mety izany. Ohatra mivaingana iray ny hoe: 400 miliara ariary isan-taona ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fahasalamana kanefa miditra amin’ny trano fivoahana aza handoavam-bola.Tokony handalo amin’ny ben’ny tanàna ny fandaniana ny tetibolam-panjakana, hoy ity antoko ity satria tsy misy mahalala ny olan’ny tanàna anankiray mihoatra ny ben’ny tanàna. Tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy mifampatoky ny fitondrana faobe sy ny ben’ny tanàna, ary hiadian’ny Tia Tanindrazana ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny mpiasam-panjakana fa tsy hoe tsy mitovy ny firehana, dia lasa mifanenjika, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Ny fampiasana ny teknolojia moa no hanafainganana ny asa rehetra ao anatin’ny vinan’ny Tia Tanindrazana ary efa famoronan’asa ho an’ny Malagasy ihany koa.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT