Politique

Antoko TGV Manaiky ny fanovana rehetra ao amin’ny sori-dalana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Efa ela no niandrasana ny antso amin’ny fanatanterahana ny sonia farany an’ilay tondrozotra hivoahana amin’ny krizy ka tonga ihany izany ankehetriny, hoy Rtoa Lanto Rakotomavo, Sekretera nasionalin’ny antoko TGV.

 Raha ny fantatra dia amin’ity herinandro ity no hambara izany daty izany. Fanontaniana nampiahiahy ary napetraky ny maro ny amin’ny hoe fialana amin’ny SADC sy ireo mpanelanelana vahiny. Mazava ny hevitry ny TGV ny amin’izay raha ny nambaran-dRtoa Lanto Rakotomavo fa tsy midika ho fialana amin’ny SADC velively ny fanapahana ny daty hanatanterahana ny sonian’ilay sori-dalana, satria izy ireo no nanao ny fanovana tao anatiny. Eto aloha dia tsy voafaritra hoe ilay fanovana natao taiza na oviana ity hatao sonia ity. Ny voalazan’ity sekretera nasianalin’ny TGV ity dia hoe manaiky ny fanovana rehetra natao tamin’ilay tondrozotra ry zareo. Mikasika ny Ankolafy telo kosa dia nitsian-dRtoa Lanto Rakotomavo fa tsy fotoan’ny fifampiandrasana sy fifamilafilana intsony izao, ka tsy ny ankolafy iza na iza no tsy maintsy andrasana amin’ny fandaminana ny firenena. Fa izay vonona dia miroso.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT