Politique

Antoko Teza « Zava-doza ny fisiana antenimiera tsy mahatapa-kevitra ! »


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Iarahantsika miaina ny savorovoro isan-karazany mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

 Ny tena zava-doza anefa dia manana parlemantera amina antenimiera miisa 2 i Madagasikara saingy amin’ny alalan’ny didim-panjakana avoakan’ny filoham-pirenena no itantanana ny vola sy tetibolam-panjakana. Io rafitra io no mahatonga ny Teza midradradradra hatrany satria amin’ilay rafitra dia amin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo parlemanta no handaniana ny tetibolam-panjakana. Tsy voafetra ao amin’ny lalàna ny hoe vao manomboka ny fivoriana amin’ny oktobra, novambra, desambra iny dia efa alefa amin’ny fivoriana ilay izy. Lasa fomba fanao, indrindra ankehitriny ny hoe efa hifarana ny fivoriana vao hampandalovina anaty « session parlemantaire » ilay boky be 1000 pejy any ho any. Ahoana no ahafahan’ireo parlemanta hijery izany antsipirihany ao anaty tapa-bolana monja ? Ny governemanta anefa tsy misy lalàna mamehy azy hoe alefa aloha na aoriana na faramparan’ny fivoriana ilay lalàna mikasika ny tetibola. Ohatran’ilay farany teny amin’ny antenimierandoholona iny no mitranga avy eo. Tapitra ny fe-potoana dia tsy lany ilay lalàna fa miantona eo dia ny filoham-pirenena avy eo no mitantana ilay izy arak’izay tiany. Any amin’ny volana mey indray izany io lalàna mifehy ny tetibola io vao hojerena. Tsy mety sy tsy fahaiza-mitantana izany, hoy izy, avelan’ny rafitra manao izay danin’ny kibony mihitsy ny rantsa-mangaika rehetra eto. Praograma tapitapi-maso sisa no ataon’ny fitondrana fa tsy vahaolana maharitra. Ireny izao ny “Puce” dia omby miisa 50 nanaovana propagandy fotsiny no vita. Mahavita tena ara-tsakafo isika kanefa ny Bas Mangoky nomena tantanan’ny arabo. Ilaina ny famatsiana avy any ivelany, hoy hatrany ny Teza, fa ilaina dinihina tsara ihany koa fa tsy atao tandrametaka toy ireny dia avy eo misy fiantraikany amin’ny tompon-tany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT