Rahampitso izany no hamelabelarana kokoa etsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Alarobia mikasika ny tontolon’ny lalàna mifehy izay fifidianana izay sy ny fanaovana politika eto amintsika
taorian’ireo fakan-kevitra natao manerana ny faritra hampifandrindrana ny lafiny lalàna sy fifidianana. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko Teza, Ihanta Randriamandranto, sady mpikambana namolavola, dia tsy nisy resaka fikitihana lalàmpanorenana tao anatin’izy io. Tsy olana eo amin’ny endrika ivelany fa tena ny vontoatiny mihitsy ka tsy azo atao maimaika. Efa nanambara foana izahay, hoy ity sekretera jeneraly ity, fa ilana fanorenana ifotony mialoha ny hidirana amin’ny fanovana ary ny vahoaka rehetra no tokony hifidy ny andininy mila fanamboarana fa tsy parlemanta vitsivitsy voatamby fiara tsy mataho-dalana. Tsy ny fikitihana lalàmpanorenana no olana fa ny fikitihana andininy mahakasika olon-tokana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.