Politique

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

 

 

 

 Ny 12 desambra izao moa no hahatsiarovana ny faha 40 taona nanambaran’ny firenena mikambana fa an’ny Malagasy ireo nosy manodidina. Averimberinay, hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa fa misy an’i Europa, Bassas da India aty andrefana. Faha-3 i Juan de Nova. Faha-4 ny Iles Glorieuses ary faha-5 izay tsy tokony hohadinoina ny mikasika ny Tromelin. Misy fandikana vilana ataon’ny frantsay mikasika io farany io satria ny 14 aprily 2005 dia nisy fifanarahana teo amin’ny governemanta frantsay sy governemanta Malagasy ary natao sonia tany St Denis, La Réunion. Ny minisitry ny “outre mer” frantsay, Brigide Girardin sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Marcel Ranjeva, hoy izy no nanasonia izany. Voarakitra tao fa tokony hosasahana amin’ny alalan’ny antsoina hoe “principe d’équidistance” ny eo anelanelan’ny ranomasin’i Madagasikara sy La Réunion. Atao mitovy ny elanelana eo amin’ny nosy roa tonta ka ny ilany atsinanana tantanin’i La Réunion ary ny ilany andrefana no antsika. Izay no mitombina raha hiresaka hoe anelanelan’i Madagasikara sy La Réunion, hoy izy. Tsy mitombina intsony io raha hiresaka ny avaratr’i La Réunion. Rehefa jerena izany, hoy hatrany ny tenany, ny mikasika an’i Tromlin dia tokony ho i Maorisy, farafaharatsiny no mifampidinika amin’i Madagasikara mikasika ny Tromlin. Ao amin’ny faritra atsinanan’i Diego no misy an’io nosy io ary lavitra be an’i La Réunion ka ilaina averina tsy misy fepetra amintsika koa i Tromlin, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT