Tsy mieritreritra ny fitondrana ankehitriny ho maherifon’ny firenena ny antoko Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa,
raha naneho ny heviny mikasika ny fanombohan’ny fifampidinihana momba ny famerenana ireo nosy manodidina na “Iles Eparses” tetsy Andafiavaratra. Tsy misy adihevitra fa antsika ireo nosy manodidina ka mila averin’ny frantsay tsy misy fepetra. Raha ny fihetsiky ny frantsay aloha, hoy izy, dia tokony ho mailo isika Malagasy. Hain’ny frantsay ny mody mamerina amintsika ny “Iles Eparses”. Tatsy Kaomoro izao na dia foto-kevitry ny firenena mikambana aza ny hoe tsy maintsy hajaina ny fiandrianam-pirenen’ny firenena iray nozanahana dia mbola hampatsiahivina fa tian’ny frantsay nosarahana tamin’ny kaomorianina i Maioty. Ny nataony dia notadiaviny izay lalana nampanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ireo vahoakan’i Maioty. Lany ny hoe miara-miasa amin’ny frantsay ny mahorey. Dia hoy ny frantsay hoe voaporofo anatrehan’izao tontolo izao fa ny ao Maioty mihitsy no te hiara-kiasa amin’ny frantsay ka dia io fa departemanta frantsay aty amin’ny ranomasimbe indianina hatramin’izao ny Mahorey. Mitovitovy amin’izay koa ity kasain’ny frantsay atao eto ity, hoy ny filohan’ny Teza, fa ny endriny fotsiny no tsy mitovy. Te hametraka Babakoto eto ny frantsay ary io no hanaiky ny fiaraha-mitantana ireo nosy ireo. Mody ary amin’ny Iles Glorieuse ny filoha Macron no miteny fa ilay tontolo manodidina na “biodiversité” no zava-dehibe kanefa ny tena zava-dehibe mampifikitra ny frantsay amin’ireo nosy ireo dia ilay harem-be ato amin’ny ranomasin’i Mozambika sy ny ao amin’ny koveta na “basin” an’i Morondava. Toy izany koa ny Juan de Nova sy ny hafa, hoy izy. Mihiratra mihitsy ny voamason’ny frantsay fa izao tontolo izao dia mahafantatra fa mitovitovy amin’ny habetsahan’ny solika ao amin’ny Mer du nord ny habetsahan’ny solika ao. Mety ho tsy azo arovana ilay fiaraha-mitantana dia ho mody haveriny ireo nosy fa ny fitondrana Malagasy kosa dia hotereny hanao fifanarahana vaovao na “nouvelle cooperation” ahafahany mitantana an-kolaka ireo nosy ireo. Eo no tena mila maha mailo ka tsy tokony hanaiky ankoatra ny famerenana tsy misy fepetra dia mijanona hatreo aloha isika. Tsy ekena ny fiaraha-mitantana sy fifanarahana vaovao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.