Miangavy ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM, ny antoko Teza tarihan’ny filoha nasionaliny Rakotoamboa Jean Louis, mba tsy hikely soroka fa hiroso hatrany amin’ny ezaka efa natombony ka hiantso indray ireo mpifanandrina politika, mba hanohizana ny fampihavanana sy hamongorana tanteraka ny krizy.
Mahatsapa ity antoko ity fa avy amin’ny fifidianana avokoa ny olana rehetra nitranga teto amin’ny firenena, tsy tanteraka hatramin’ny farany akory ny tondrozotra izay noheverina fa faratampony amin’ny famahana ny krizy. Mahita ihany koa ny Teza fa mamery ny zo fototry ny olom-pirenena ny lalàna mifehy ny fifidianana misy eto amin’izao fotoana, satria dia misy ny olona nailika tsotra izao tsy ho kandida ary dia miaraka very zo aminy tsy afaka haneho ny safidiny koa ny mpanara-dia azy. Mila faranana fa tsy tokony hodimbiasana sedra vaovao hafa indray izao krizy izao, ka izay no mampijoro ny Teza hanaitra ny rehetra fa mbola misy ny zavatra tokony hatao dia ny fampihavanana tena izy, ka ireo mpifanandrina fototra tahaka an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no mila miresaka sy mifamela ary mihavana. Raha ny hevitry ny Teza dia tsy ho tanteraka mihitsy ny fifidianana mirindra, demokratika ary eken’ny rehetra raha tsy misy ny fahatoniana tanteraka, ny fihavanana, ny fiverenan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny fandraisana anjaran’ny tsirairay amin’ny fametrahana fitsipi-dalao demokratika ary ny fanorenana fanjakana sy Repoblika vaovao iarahan’ny rehetra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.