Antoko TEZA

> Manohana ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

“Tsy niala tao anaty ankolafy Ravalomanana izahay, fa tsy mankasitraka kosa ity fifidianana atao tery vay manta ity”, hoy ny Minisitry ny fiompiana sady Sekretera jeneralin’ny antoko Teza, Ihanta Andriamandrato omaly tao Antsirabe.

Nambarany fa tsy hiteraka fitoniana ny fifidianana amboletra kanefa dia filaminana no tadiavina eto Madagasikara amin’izao fotoana. Diso, hoy ny minisitra Ihanta Andriamandrato, ny filazana fa fivoahana amin’ny krizy ny fifidianana. Amin’ny Teza dia famaranana ny tetezamita no izy satria tsy voatery hilamina akory ny vokatr’io fifidianana io toy izay efa nitranga teto amin’ny firenena ka izay no tsy ankasitrahan’izy ireo ny fanaovana fifidianana amin’izao fotoana. Marina, hoy izy, fa fifidianana ihany no hiverenana amin’ny ara-dalàna fa ny fanomanana sy ny fikarakarana izany mba ho tena azo antoka ka heken’ny rehetra sy ankatoavin’ny maro an’isa no tsy misy antoka. Raha tiana, hoy izy, ny tena hisian’ny fifidianana azo antoka sy madio dia tokony hiresaka aloha ny mpifanandrina mivantana araka izay efa nifanarahana, dia apetraka ny fepetra hifanarahana dia hirosoana ny fifidianana. Amin’izao fotoana dia efa hiaraha-mahita fa maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ka mahatonga azy ireo hanaitra ny sain’ny maro dieny izao sahady satria izay no hiteraka korontana indray aoriana. Nohamafisiny moa fa manohana feno ny kandidà izay tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny antoko Teza. “Enga anie mba ho diso ny eritreritr’izy ireo ka dia hilamina ny fifidianana satria tena mila tsindrona mba ho salama ny firenena fa efa leo korontana sy krizy ny Teza”, hoy izy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT