Mikasika ny olan’ny solika eto Madagasikara dia averina foana, hoy ny antoko Teza,
tamin’ny alalan’ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa tsy fahaiza-mitantana ireny na inona filaza. Resahana foana ireo kaompania mpaninjara solika fa ny fanjakana izay tsy nitsinjo vodiandro merika mialoha no nanaitaitra ireny kaompania rehetra ireny dia avy eo sazy tapimaso no aroso, hoy ny fanazavany. Ny mpanjifa no tena mahamay fa sazy kely tsy misy dikany ary ny sazy ary hisy tombony ho an’ny mpanjifa ve ? Ny fanjakana no tokony hampitandrina mialoha fa tsy efa misy dona vao mody manasazy. Mikasika ny resaka nosy manodidina kosa, efa tamin’ny fivoriana niarahana amin’ny firenena mikambana no resy ny frantsay. Tokony hiverina amintsika tsy misy tambiny ireo, raha ny nambaran’ny ONU, ary tsy mitombina ny fitadiavan’ny frantsay fiaraha-mitantana. Raha misy mpitondra halaim-panahy hanao sonia fiaraha-mitantana, hoy izy, dia raisinay ho mpamadika tanindrazana ary mila gadraina mandra-pahafaty, noho izany. Mampahatsiahy amin’ny Malagasy aho fa anelanelan’i Tanzania, Seisely ary I Madagasikara ato amin’ny lakandranon’i Mozambika dia misy tobin-tsolika vaovao anisan’ny goavana na “nouveau champ pétrolier” mitovitovy amin’ny hitan’ny Anglisy tany amin’ny ranomasina avaratra tamin’ny fotoan’androny. Ny ao amin’ny Gabo Delgado, ohatra, dia 125 miliara metatra tora-tela (m3) no etona natoraly an’i Mozambika efa manomboka trandrahana ao. Ao Zambeze koa dia misy 240 miliara m3 hita. Ho an’i Madagasikara dia misy 2 miliarana metatra barily ny tahirin-tsolika ao Bemolanga, Tsimiroro misy 1,7 miliara, izay samy ao amin’io koveta na “basin” io avokoa. Izany harembe rehetra izany, hoy ity filoha ity, no mahatonga ny frantsay hanao izay hahazoana ireo nosy ireo kanefa raha haintsika ny mitantana azy dia efa lasa lavitra ny firenena ohatr’izay. Azontsika vahoaka Malagasy poretina ny frantsay raha miray hina toy ny tamin’ny andron-dry zareo indianina tamin’Itompokolahy Ghandi isika. Andao handramana ny tsy mividy ireo vokatra frantsay eto, ohatra. Azo atao koa ny manao ny antsoina hoe “pression pacifique” eto mikasika ireo fiharian-karen’ny frantsay eto ho porofo fa tsy azony zanahana intsony isika amin’izao taona arivo fahatelo izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.