Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Teza ka nanambara fa mitaky ny fodian’ireo sesitany politika rehetra mbola any ivelany, fodiana tsy misy fepera fa mihatra avy hatrany
Takian’ny teza ihany koa ny hanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona tamin’ny fitondana tetezamita sy famoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja.”Na amboako na amboan’olona, izay vandana dia kary”, hoy ny Teza koa takiana ny hitsarana ny raharaha 26 janoary sy 7 febroary 2009 mba hahafantarana marina izay tompon’andraikitra voalohany nikotrika ireny fanapotehana sy famonoan’olona teto ireny. Ho an’ity antoko ity dia fitondrana niorina tamin’ny kisendrasendra, miaraka amin’ny programa namboamboarina sy tsy mirindra ary tanterahana ekipa nosambotsamborina no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tsy afaka hisedra sy hamaha ny krizy mianjady eto amin’ny firenena izany fitondrana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.